Fifanaraham-piaraha-miasa: hitsidika an’i Guinée-Bissau ny filoha Rajoelina

Taorian’ny fitsidihana nataony tany Frantsa, izay nihaonany tamin’ny filoha frantsay Emmanuel Macron sy nanatrehany ny lanonam-panokafana ny lalao Olympika dia manohy ny diany any amin’ny kaontinanta afrikanina indray ny filoha Rajoelina Andry.

Manomboka ny fitsidi­hana an’i Afrika izay tanterahin’ny filoha Rajoelina Andry. Andrasana anio folakandro ao Bissau, renivohitr’i Guinée-Bissau, izy mivady. Haharitra roa andro ny fivahinianany ao amin’ity firenena ity. Miara-dia aminy mandritra izao diany izao ny minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny jeneraly Monja Sahivelo Lala Delphin sy ny mpanolotsaina manokana eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika, i Patrick Rajoelina. Ny diplaomasia sy ny fampiroboroboana ny fifandraisana ara-toekarena ao amin’ireo tany samy andalam-pandrosoana na « Coopéra­tion Sud-Sud » no tanjon’izao fitsidihana izao. Araka ny fandaharam-potoana, hisy ny fihao­nana manokana eo amin’ ny filoha Rajoelina Andry sy ny filohan’i Guinée-Bissau, i Umaro Sissoco Embalo. Inoana, araka izany, fa ho votoatin’ny dinika ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny fire­nena roa tonta. Fantatra rahateo ny fifandraisana ara-pirahalahiana eo amin’ny filoha roa tonta. Raha tsiahivina, anisan’ireo firenena nitoky tamin’ ny voka-pikarohana malagasy i Guinée-Bissau nandritra ny vanim-potoanan’ny ady tamin’ ny valanaretina COVID-19 ary nandefa fiaramanidina manokana naka ny Covid-Organics teto Madagasikara mihitsy ny filoha Umaro Sissoco Embalo.

Hihazo an’i Angola

Aorian’i Guinée-Bissau dia hihazo avy hatrany an’i Angola ny filoha Rajoelina Andry, ha­maly ny fanasana mano­kana izay nataon’ny filohan’i Angola azy. Mpinamana ary mifandray am-po rahateo ny filoha roa tonta. Manaporofo izany ny fahatongavan’ny filohan’i Angola tetsy Mahama­sina nanatrika ny fianianan’ny filoha Rajoelina Andry, taorian’ ny fahalaniany indray. Fana­ma­fisana ny fiaraha-miasa no tanjon’izao fitsidihana izao. Marihina fa i Angola no mitantana ny vondrona Sadc ankehitriny. Raha ny fantatra dia hisy ihany koa ny fifanaovan-tsonia fiaraha-miasa anakiroa hatao any Angola ka ho voakasik’ izany ny sehatry ny fi­trandra­hana harena an-kibon’ ny tany sy ny famokarana herinaratra. Ani­san’ny handrafitra ny delegasiona any an-toe­rana rahateo ny minisitry ny Harena an-kibon’ ny tany sy ny minisitry ny An­govo ary ny mi­nisitry ny Raha­raham-bahiny.

Andry F.

Partager sur: