Ho an’ny rehetra ny hafatra? “Ialana ny fihatsarambelatsihy, ialana io kabary tsara lahatra io. Fa mba ho hita taratra marina ary hita eo amin’ny fiainana ny fandrosoana, ny fifankatiavana marina”. Izay no anisan’ny anjara fitenenan’ny kardinaly sady arsevakan’ny diosezin’i Toamasina, ny kardinaly Tsarahazana Désiré, nandritra ny sorona masina notarihiny tany Toamasina, ny faran’ny herinandro teo, tamin’ ny famaranana ny fankalazana ny taon-jobily volamen’ny fihavaozana karismatika eto Madagasikara izay natrehin’ny diosezy 20 manerana an’i Madagasikara. 1973-2023, 50 taona ny fihavaozana karismatika katolika fiombonana eto Madagasikara, ka ny diosezin’i Toamasina no nandray ny famaranana ny fankalazana, natao tao amin’ny kianja Md Josefa. Ny diosezin’Antananarivo no nanombohana ny fankazalana ny taon-jobily volamen’ny fihavaozana karismatika tamin’ny taona 2023, tao amin’ny diosezin’i Mahajanga ny ivon’ny fankalazana, ary izay nofaranana tany Toamasina izay. “Mifankahazo sy mifankatia avokoa raha tena tia an’i Jesoa Kristy. Ezahintsika ny mitory fitiavana”, hoy ihany izy. Ialana ny fifanenjehana fa tsy kristianina izay manao izany. Mifankatia fa izay no vavaka nataon’i Kristy: “Aoka ho fantatry ny olona fa mpianatro ianareo raha mifankatia”.
R. Nd.