Vavatenina: nakatona ny fitrandrahana volamena

Olon-tsotra no nitrandraka volamena tsy ara-dalàna tanaty renirano any Vava­tenina. Mampiasa fitaovana avo lenta mihitsy izy ireo amin’izany.

Nitaraina ny ben’ny Tanànan’i Vavatenina fa misy ny fitrandrahana volamena tsy ara-dalàna ataon’ny
olon-tsotra ao amin’ny renirano Sahavatoina. Tonga tany Mananonoka, kaominina sady distrika Vavatenina
ny iraka avy amin’ny minisiteran’ny Harena an-kibon’
ny tany, ary nahita maso ny zava-nisy. Hita fa tsy nisy
taratasy sy tsy nanana fahazoan-dalana ireo mpitrandraka sady nampiasa fitaovana sy milina avo lenta. Nandray
fepetra avy hatrany ny polisin’ny Harena an-kibon’ny tany, ka nakatona ny toeram-pitrandrahana volamena anaty
rano. Nogiazana ireo fitaovana nampiasaina nanaovana ny fitrandrahana tsy ara-dalàna. Natao ny fanadihadiana tsotra tamin’ireo niasa tao an-toerana. Tomponan­draikitra iray tamin’izy ireo no natolotra ny ambaratonga mahefa. Natao ny fampitana ny fitanana an-tsoratra any amin’ny ambaratonga mahefa, hanohy ny famotorana sy ny raharaham-pitsarana.
Nambaran’ny talen’ny Polisin’ny harena an-kibon’ny tany, ny kaomisera Rakotoarimanana Mamy Tiana, fa tsy hihemotra ny minisitera manoloana ny fandikan-dalàna ary manentana ny olon-tsotra sy ny tomponandraikitra hampita ny vaovao raha misy ny tranga mampiahiahy.
Tanjona ny hamantarana izay tambajotra ao ambadik’izao fitrandrahana antsokosoko izao hanamafisana ny ady amin’ny fandrobana ny harem-pirenena.

Kaominina 10 amin’ny 11

Notsorin’ny ben’ny Tanànan’i Vavatenina, Volanimanana Marie Aurélie, fa distrika manan-karena volamena ny distrikan’i Vavatenina satria saika ahitana io harena io avokoa
ny 10 amin’ireo kaominina 11 any an-toerana. Saingy mitady hanjaka tokana ny olom-bitsy fa tsy mba misitraka izany ny vahoaka.
Nankasitrahany ny fahatongavan’ny iraky ny minisiteran’ny Harena an-kibon’ny tany haingana tany an-toerana, taorian’ny fitarainana sy ny antso nataony. Satria tsy mitondra fampandrosoana ny fitrandrahana tsy ara-dalàna toy izao.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: