Hatao ny 11 hatramin’ny 18 aogositra 2024 ho avy izao, any Sainte Marie, ny hetsika lehibe, “Festival des Baleines”. Miaraka mikarakara azy ny minisiteran’ny Fizahantany sy ny asa tanana, tohanan’ny Telma sy ny banky BNI. Nambaran’ny tale kabinetran’ny minisitera MTA, Rasoanaivo Diana, fa « ao anatin’ny fialantsasatra lehibe sady fahatongavan’ny vahiny mpizahatany isika izao. Mahasarika azy ireo aty Madagasikara ny zava-mananaina, satria fotoana fialan’ny trozona misy trafony avy any amin’ny tany mangatsiaka mankaty Madagasikara, indrindra any Sainte Marie ».
Manome lanja ny tontolo mananaina ny banky BNI. Tafiditra ao anatin’ny andraikitry ny orinasa amin’ny fiarahamonina (RSE) ny fampiroboroboana ny fizahantany maharitra. Manamafy izany ny orinasa Telma, satria singa iray mampandroso ny toekarena ny fizahantany.
Misy tolotra manokana amin’ity “Festival des Baleines” ity, ho 100 000 Ar ny saram-pitaterana (fiara sy sambo) mandroso sy miverina, Antananarivo sy Sainte Marie ho an’ny olona 100.
Njaka A.