Fampandrosoana: mila apetraka ny politika maharitra ho an’ny indostria

Sehatra iray mampihodina ny toekaren’i Madagasikara ny indostria ka mila tohanana sy jerena manokana.

Sehatra iray anisan’ny mampiroborobo ny toekarena eto Madagasi­kara ny indostria ka tokony to­hanana sy omen-danja. « Mila apetraky ny fanjakana ny politika famokarana sy fifaninana eo amin’ireo samy mpamokatra hampiroboroboana ny in­dostria eto amintsika », hoy ny Sendikan’ny indostria eto Ma­da­gasikara (SIM).
Miantoka ny fampandrosoana ny toekarena eto amin­tsika ny tontolon’ny indostria, noho izy mampidi-bola ho an’ ny tokantrano maro samihafa sy miteraka asa maro. Tsy ampy hampiroboroboana ny toekarena ny sehatry ny fambolena ka tsy maintsy mifantoka amin’ny fampandrosoana ny indostria ny fitondram-panjakana. Mandray anjara betsaka amin’ny fampandrosoana ny firenena ity sehatra ity. Miantoka ny 21,7% ny harinkarena faobe izy no sady manome asa ho an’ny 10% ny Malagasy. Araka izany, andry iankinan’ny tokantrano an-tapitrisa eto amintsika, indrindra any amin’ireo tontolo ambanivohitra, ny indostria

Asa goavana

Nahitam-pitomboana ny isan’ny orinasa nisokatra teto Madagasikara, hoy hatrany ny SIM. Ny taona 2020, miisa 1602 ny orinasa niforona ary niakatra ho 1929 ny taona 2022. Midika izany fa miroborobo ny sehatry ny fandraharahana izay fototry ny fampandrosoana ny toekarena. Nomarihiny manokana fa manome lanja ny vokatry ny firenena ny fanodinam-bokatra ataon’ireo orinasa madinika sy salantsalany. Na izany, sakana ho fampiroboroboan’ny indostria eto Madagasikara ny tsy fahampian’ny fotodrafitrasa samihafa, ny olan’ny famatsiam-bola, ny angovo ary ny tontolon’ny hetra. Noho izany, mila apetraky ny fanjakana ny paikady entina mampandroso ny sehatry ny indostria amin’ny alalan’ny tohana ho an’ny famokarana, ny fanavaozana ary ny fifaninana eo amin’ireo mpisehatra amin’ny tontolon’ny indostria.

Henintsoa Hani

Partager sur: