Tanterahina mandritra ny herinandro, nanomboka ny 28 jolay ka hatramin’ny 02 aogositra, any Harare Zimbabwe, ny tsena isan-taona ho an’ny indostria (Semaine annuelle de l’industrialisation) andiany faha-7 ho an’ireo firenena mpikambana eo anivon’ny Sadc. Haranty any an-toerana mandritra io fotoana io ny vokatry ny orinasa « One District One Factory », Odof, eto Madagasikara ho fampahafantarana
ny vokatra voahodin’ireo taninketsa indostrialy. Fotoana ahafahan’ny indostria malagasy miditra tsikelikely eo
amin’ny tsena ivelany ny hetsika. Mandritra izay, hifanakalo fijery sy fanao mahomby ary vahaolana vaovao amin’ireo mpandray anjara hafa koa ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra (Mic). Hitondra ny heviny sy handresy lahatra ny fampiroboroboana ny indostria an’i Madagasikara, any an-toerana, ny delegasiona malagasy sy ireo nahazo tombontsoa amin’ny (Odof). Miara-dalana amin’izy ireo koa ny solontena maharitry ny Onudi eto Madagasikara, Rakotondrazafy Volatiana. Marihina fa nanohana sy nanampy antsika mandray anjara amin’izao hetsika izao ny tsenam-paritry aty amin’ny tapany atsimon’i Afrika, ny Onudi ary ny minisiteran’ny Indostria any Zimbabwe.
Taninketsa indostrialy
Tafiditra ao anatin’ny Politika ankapoben’ny fitondram-panjakana (PGE) ny fampiroboroboana ny indostria eto Madagasikatra, noho izy, miantoka ny fampandrosoana ny toekarena sy ny fiharian’ny tantsaha. Manohana betsaka ny famokarana indostrialy ny koperativa mpamokatra sady miantoka ny akora fototry ny fampandehanan’ny indostria. Paikady mahomby amin’ny fampandrosoana ny taninketsa indostrialy ny fidirana eo amin’ny iraisam-pirenena.
Henintsoa H.