Antsohihy: lehilahy niharan’ny fitsaram-bahoaka

Lehilahy iray voasaringotra tamin’ny raharaha vono olona nitranga ny taona 2023, tra-tehaky ny fokonolona tao Bazary Be, distrikan’Antsohihy, afakomaly. Nitrangana vono olona nahatsiravina tao amin’ny fokontany Androibe, kaominina An­kerika, distrikan’Antsohihy, ny faran’ny taon-dasa teo. Olona maromaro nosamborin’ny mpanao fanadihadiana tamin’io fotoana io. Niakatra teny anivon’ny fampanoavana, notanana am-ponja vonjimaika ny efatra voasaringotra. Ankoatr’ireo, voatonona ho nandray anjara tamin’io vono olona io ity lehilahy ity. Nifanehatra tampoka tamin’ny fianakavian’ny maty tao amin’ny Bazar Be izy, afakomaly, ka nifanenjehan’ny fokonolona. Nikasa hanampitra aina avy hatrany io lehilahy io ireto farany. Nandray andraikitra ny mpitandro filaminana ka voasoroka ny fitsaram-bahoaka.

Tsiferana R.

Partager sur: