Natao tany Kingston Jamaïque ny fanomanana ny fivoriamben’ny « International Seabed Authority » (Isa) mahakasika ny fitrandrahana metaly sarobidy ao ambany ranomasina (Deep Sea Mining), ivelan’ny fari-dranomasina manokana (ZEE). Ahitana betsaka ireo karazana metaly ireo toy ny kobalta, Manganèse, Cuivre ny ranomasimbe Pasifika (Clipper Clipperton Zone) sy Indiana.
Anisan’ireo nandray anjara tamin’ny fivoriana i Madagasikara, tamin’ny alalan’ny talem-paritry ny Jono sy ny toekarena manga Fitovinany. Nojerena manokana, nandritra ny atrikasa ny alahady teo, ny mahakasika ny tontolon’ny fitrandrahana sy ny mety ho voka-dratsiny amin’ireo zava-mananaina sy ny tontolo iainana an-dranomasina. Voaresaka ihany koa ny mahakasika ny fehezan-dalàna hoentina mitantana izany mialoha ny hidirana tanteraka amin’ny asa atao rehetra. Singanina manokana ny lafiny ara-toekarena sy ny teknolojia ampiasaina aminy sy ny maro hafa. Natao ireo rehetra ireo mialoha ny hanaovana ny fivoriambe nanomboka ny alatsinainy teo, hanohanana na hampiatoana aloha na koa hitsipahana tanteraka ny DSM.
Toekarena
Vina napetraky ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga ny hampiroboroboana ny toekaren’ny firenena amin’ny alalan’ny fampiasana ny rano. Toy ny fizahantany, ny fampiasana ny angovo azo havaozina azo avy amin’ny rano, ny hanatsara ny fitaterana an-dranomasina. Nasongadina manokana ny fitrandrahana anaty sy ambany ranomasina ary ny ady amin’ny fahalotoan’ny ranomasina.
Henintsoa H.