Hamonjy zaikabem-piangonana: mpivady niara-nipitika teny ambony moto

Tsy nahatsiaro tena teo no ho eo ny lehilahy iray ni­tondra moto niaraka tamin’ny ramatoa vadiny teny amin’ny lalam-pirenena faha-12, teo amin’ny PK 84, toerana an­tsoina hoe Ankarampotsy, fokontany Bac Namorona, kaominina ambanivohitra Anosimparihy, ditrikan’i Ma­nanjary, afakomaly maraina. Nampandre ny zandarimaria ny mpamily taksibrosy iray amin’io lalam-pirenena io fa nitrangana lozam-pifamoivoizana teo amin’io PK 84 io. Nanamarina ny zava-nisy, tafavoaka ivelan’ ny arabe ny moto 4T iray. “Nandeha mafy io moto io satria 4éme ny vitesse mbola tavela teo amin’ny fafana”, hoy ny fanazavan’ny zandarimaria. Nipitika teo amboniny ny lehilahy iray sy ny ramatoa vadiny. Tsy nahatsiaro tena avy hatrany io raim-pianakaviana io. Nen­tina notsaboina eny anivon’ny toeram-pitsaboana ao Ma­nakara. Tsy nahina kosa ny fahasalamam-badiny. Tsy na­hafehy tampoka ny fami­liana nandritra ny fidirana tamin’ny fiolanana ny mpamily ilay moto ka antony nitarika ny loza. Nikasa hihazo an’Ihosy hamonjy zaikabem-piangonana izy mivady.

Tsiferana R.

Partager sur: