Miverina amin’ny laoniny ny fifamoivoizana amin’ny lalam-pirenena RN 6 sy RN 5A. Fotoana tena ilain’ny mpampiasa lalana izany, indrindra amin’izao fialantsasatra lehibe izao.
Vita tanteraka ny fivilian-dalana eo amin’ny tetezana Mahavavy, PK 568, amin’ny lalam-pirenena fahenina (RN 6). Misokatra ho an’ny fiara rehetra, nanomboka ny sabotsy 27 jolay teo. Voarakotra godirao avokoa eo amin’ny fidirana rehetra. Toraka izany koa ny fivilian-dalana eny amin’ny tetezan’ Ifasy, PK 537+327 amin’ny
RN 6.
Vita ihany koa ny fivilian-dalana eo amin’ny tetezan’i Manambery, PK 173, amin’ny lalam-pirenena RN 5A, mampitohy an’Ambilobe sy Vohemar. Nisokatra ho an’ny fiara rehetra, nanomboka ny talata 30 jolay teo. Nijery ifotony tany an-toerana ny ekipan’ny Fitantanam-paritry ny Asa vaventy (DRTP) Sava, niaraka tamin’ny tomponandraikitry ny faritra sy ny distrika. Noraisina ny fanapahan-kevitra fa hakatona ny fifamoivoizana eo ambon’ny tetezan’i Manambery, hisorohana ny fiitaran’ny fahasimbany.
Tsiahivina fa simban’ny rivodoza Gamane tamin’ity taona 2024 ity ireo tetezana telo ireo ka voatery nananganana fivilian-dalana avy, hanamorana ny fifamoivoizana amin’izao fotoan’ny fialantsasatra lehibe izao.
Fanarenana ny eto an-dRenivohitra
Ho an’ny eto an-dRenivohitra, mitohy ny fanarenana ny ampahan-dalana maromaro, tanterahin’ny minisiteran’ny Asa vaventy. Anisan’izany ny lalana Vatobe 67 ha hatreny Andohatapenaka, mirefy 500 metatra. Hamboarina ny lakandrano miampy ny fandrakofana godirao. Harenina koa ny lalana Batpro Soanierana hatreny amin’ny fivilian-dalana Capsat sy Ankadilalana, ny Ankadilalana-Galana Tsimbazaza.
Eo koa eo amin’ny Villa Berlin Ambatoroka hatrany amin’ny Shell Ambanidia, ny fihodinana Ambanidia-Mandroseza-fihodinana Alasora, ny tetezana Iavoloha, sns.
Njaka Andriantefiarinesy