Notolorana fitaovam-pamokarana ny tantsaha miisa 219 anaty fikambanana miisa 12 any amin’ny kaominina maromaro, anatin’ny distrika Analalava. Fitaovana toy ny « motoculteurs », « motopompe », « tuyau d’aspiration », « refoulement », « batteuse » elektrika, angadinomby, « pulvérisateur », hersa, sns. Nisy koa fitaovana ho an’ny fiompiana, toy ny fefy « grillage », « fil de fer », « glacière », sns.
Nahazo fitaovana samihafa ny fitantanam-paritry ny Jono (DRPEB) any Farafangana, toy ny “broyeur” elektrika (01), “pH-mètre” (01), “disque Sechii” (01) ary zezika 9 kilao. Entina hanatsarana ny tolotra fampiofanana ny mpiompy trondro ireo fanampiana ireo. Tafiditra ao anatin’ny fandaharanasa Afafi Sud. Miisa 3 ny teknisian’ny DRPEB Atsimo Atsinanana nahazo fiofanana ho mpampiofana avy amin’ny Afafi Sud tamin’ity taona 2024 ity.
60 taonina ny vokatra letisia teto Madagasikara tamin’ny taon-dasa ka avy any amin’ny faritra Atsinanana ny ankamaroan’ny vokatra. Nampidi-bola 54,4 miliara Ar kosa ireo vokatra 16 860 taonina naondrana tany Frantsa sy Rosia ary Afrika atsimo. Hatsaraina sy hanavao ny fambolena ny minisitera taorian’ny fatiantoka hita teo amin’ny fanangonam-bokatra sy ny fanaparitahana azy. Hitadiavana lalam-barotra hafa ihany ny vokatra ho avy.