Noraisim-potsiny ! Voasambotry ny zandary tao amin’ny sakana ao Mahaboboka Toliara, omaly, ny ramatoa iray sy lehilahy iray nangala-jaza. Nentin’ilay vehivavy niainga avy aty Antananarivo io zazamenavava io ka notsenain’ny fiara tsy mifidy lalana iray avy any Toliara tao Sakaraha. Teny an-dalana hiverina hitodi-doha ho any Toliara izy ireo no saron’ny zandary. Teo amin’ny sakana nataon’ny zandary no nahatrarana azy ireo. Tao anatin’ny fanadihadiana savaranonando no nahafantarana fa tsy zanak’io ramatoa io ilay zaza. Niaiky koa ilay lehilahy tratra niaraka taminy fa izy no mitady io zaza io fa hoe hatsangany ho zanany. Manao antso avo amin’ireo ray aman-drenin’io zaza io, araka izany, ny zandarimaria mba hanatona azy ireo. Andrasana ny tohin’ny fanadihadiana ataon’ny zandary momba ity raharaha ity.
J.C