Nampihoron-koditra ! Nitrangana vonoan’olona feno habibiana indray tao amin’ny fokontany Morafeno, kaominina ambanivohitr’i Fanambana distrikan’i Vohémar, afakomaly. Hita nitsilany tao anaty kirihitr’ala tsy lavitra ny tanànan’i Morafeno ny lehilahy iray 29 taona, mpamboly, efa mihosin-dra sady nahitana diam-pamaky teo amin’ny hatony. Nidina teny an-toerana nahitana ny razana ny zandary niaraka tamin’ny dokotera rehefa nahazo antso tamin’ ireo olona teny amin’ny manodidina. Nandritra ny fitsirihana nataon’ny dokotera no nahitana fa novonoina izy. Manaporofo izany rahateo ny fisian’ny diam-pamaky teo amin’ ny hatony. Taorian’ny fitsirihana nataon’ny dokotera sy ny zandary, nomena ny fianakaviany avy hatrany ny razana. Nanome baiko ny toniam-pampanoa lalàna mba hanao fikarohana ireo jiolahy mety ho nahavanon-doza. Andrasana ny tohin’ ny fandihadiana.
J.C