Notanana vonjimaika eny amin’ny fonjaben’i Tsiafahy ireo mpikambana ao anatin’ny tambajotra mpitrandraka hazo sarobidy tra-tehaky ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy, afakomaly. Nitatitra hazo voamboana tao anaty kamiao, voasavan’ny mpitandro filaminana tampoka ka noraisim-potsiny ireo mpitrandraka. Miisa 122 ireo karazan-kazo sarobidy tsy azo trandrahana. Nahitana karazan-kazo sarobidy hafa nitotaly 162 tao amin’io fiarabe io. Tambajotra ikoizana amin’ny famotehana ala ireto tra-tehaka ireto. Mpitrandraka ao amin’ny distrikan’i Moramanga sy avy ao Tsiroanomandidy izy ireo. Nogiazana ireo hazo sarobidy rehetra sarona. Natolotra ny fampanoavana taorian’ny fanadihadiana ireo olona dimy ka indray notanana am-ponja miandry ny fotoam-pitsarana azy.
Tsiferana R.