TSELATRA

Nihitsoka teny an-dranomasina nandritra roa andro sy roa alina ny mpanjono roa lahy navadiky ny lakana tao Nosy Be, afakomaly. Tsy nisakafo sady tsy nisotro rano ireto farany. Avotra soa aman-tsara anefa izy ireo, satria tonga nanao ny asam-pamonjena ny teo anivon’ny Tafika an-dranomasina.

Naratra mafy koa ny mpitondra moto nifan­dona tamin’ny fiara tsy mifidy lalana iray teny Ambanidia, afakomaly alina. Teo am-pisongonana
fiara izy no nifanehatra tamin’ilay fiara. Torana tsy nahatsiaro tena izy ka voatery nentina haingana namonjy hopitaly.

Partager sur: