Nivoaka ny fonja tany Royaume Uni Andrianarisoa Romy Voos, talen’ny kabinetra teo aloha, eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika. Tany amin’ny fahitalavitra vahiny, TV5 Monde, no nosafidiany nizarana ny vaovao sy nitondrany fanazavana. Nomelohin’ny fitsarana anglisy 42 volana, sazy an-
tranomaizina, izy noho ny resaka kolikoly. Voalaza fa tratra ambodiomby izy sy ny mpiara-miasa aminy iray.
Antony roa no voalaza fa nahatonga ny fanafahana azy mialoha ny fotoana ary nahafaka azy madiodio tahaka izao. “Eo aloha ny fitondrantena mendrika nananako tao am-ponja. Fa ny lehibe indrindra ny tsy fisian’ny porofo manameloka tanteraka ahy”, hoy Andrianarisoa Romy Voos, nanazava. Nambarany fa resaka ivelan’ny hodidina ilay fandraisam-peo niampangana azy ho tratra ambodiomby iny. «Tsy vitan’izay fa nofidifidiana izay tiana navoaka», hoy izy. Niaiky ny tenany fa tena nilaza tamin’ilay orinasa Gemsfield tokoa ny tokony hampiasan’ireo vahiny ireo vola aty Madagasikara. “Mba nieritreritra ny tenako koa aho tamin’izany saingy diso fandray ny voalazako ny olona”, hoy izy.
Nohamafisiny fa tsara raha manaraka sy matoky ny fizotry ny raharaham-pitsarana raha mbola misy ny ahiahy momba azy. Tsy manova na manimba ny fifandraisany amin’ny filohan’ny Repoblika ity resaka nahavoarohirohy azy ity. “Samy te hiaraka hifantoka amin’ny fampandrosoana ny firenena izahay”, hoy ihany izy.
Synèse R.