Vaovao tambatra

Mirongatra amin’izay ny doro tanety any amin’ny lalam-pirenena RN4, mankany Mahajanga. Araka ny fanehoan-kevitry ny mpanakanto Dah Mama tao amin’ny tambajotra sosialy, amina hekitara maro ny afo any amin’ny 25 km mialoha ny hidirana an’Ankazobe. Haingana ny fiitaran’ny afo, satria mandrivotra be any an-toerana ary tsy misy ny mamono ny afo. Fotoana fanombohan’ny doro tanety sy doro ala tokoa izao volana aogositra izao.

Haroso mialoha ny fahafolon’ny volana ny daty fitsinjaran’ny Jirama ny faktiora isan-tokantrano. Misoratra ao ny fe-potoana handoavana ny vola, ka raha dila ny fe-potoana farany dia hisy sazy 5% fanampiny aloan’ny mpanjifa. Hoesorina ny kaontera raha toa ka tsy mbola voaloha ihany amin’ny volana manaraka. Tsiahivina fa maro ny fomba andoavana ny faktiora, aloa mivantana eny amin’ny masoivoho, amin’ny finday, Cash point nahazo alalana, sns.

Tsy nitovy fijery ireo mpizaika nandritra ny fivoriambe faha-29 momba ny Isa, natao ny 2 aogositra, tany Kingstone Jamaika. Rafitry ny Firenena mikambana mahakasika ny fitantanana ny fari-dranomasina maneran-tany ny Isa, ka voakasik’ity tsy fitovizam-pijery ity ny fandrafetana ny politika ankapobeny tokony hapetraka. Nandray anjara tamin’ny fifidianana izay ho seketera jeneraly i Madagasikara, ka voafidy ilay breziliana, Carvalho Leiticia.

Partager sur: