Ambatoroka: nipotsaka ny atidohan’ilay mpitondra moto

Nandriaka ny ra! Niparitaka teo amin’ny arabe ny atidohan’ny lehilahy iray nitondro moto voahitsaky ny kamiao teo Ambatoroka, omaly.

Voahitsaky ny kamiao, niparitaka tamin’ny ara­be ny atidohan’ny raim-pianakaviana iray tra-doza teny Ambatoroka, Boriborin­tany faharoa, omaly tolakandro. Saika isan’andro tato ho ato ny lozam-pifamoivoizana ateraky ny fandehanana mafy sy ny tsy fanajana ny lalàn’ny fifamoivoizana. Namoy ny ainy teo no ho eo indray ny lehilahy iray nitondra moto scooter 4T teo Ambatoroka. Nanao taingin-droa niaraka tamin’ny vadiny io lehilahy io. “Nisongona tampoka ny fiara teo alohany izy”, araka ny fitantaran’ireo nanatri-maso. Notsenain’ny kamiao ka nipitika teny ambony moto izy mivady. Notetezin’ny fiara lehibe teo amin’ny lohany io mpitondra moto io. Tsy voakasika kosa ilay ramatoa vadiny. Nandamina ny fifamovoizana teny an-toerana sy nanokatra ny fanadihadiana ny polisim-pirenena.

Efatra maty
Ankoatr’io, olona efatra niara-maty vokatry ny fivadihan’ny fiara sprinter iray tao amin’ny tetezan’i Kitsamby, kaominina Soavinandriana, ny alin’ny alahady hifoha ny alatsinainy 8 aogositra teo. Avy namonjy famadihana tany Antanifotsy ka nikasa hihazo an’i Soavinandriana sy Maha­solo ireo mpandeha. Niharan-doza tampoka ka izao namoizana aina izao. Nentina nanaraka fitsaboana eny anivon’ny hopitaly ireo olona folo voa mafy. Tsiahi­vina, saika nitrangana lozam-piarakodia avokoa ny lalam-pirenena betsaka mpampiasa tato anatin’ity fotoam-pialantsasatra ity. Manoloana ny fanentanana ataon’ny Sam­pandraharaha misahana ny fitsarana fiarakodia (DGSR), misy amin’ireo mpamily sasany tsy manaja ny hafainganam-pandeha sy ny fenitra teknika tokony hananan’ireo fiara tsirairay avy, alohan’ny handehanany alavitra. Etsy ankilany, mitombo isa ny mpampiasa kodiaran-droa, indrindra ho an’ny eto an-dRenivohitra. Minia mandika ny lalàn’ny fifamoivoizana ny mpitondra sasany ka miteraka ny loza.

Tsiferana R.

Partager sur: