Fantina s fintina

Mitaky ny hanadihadiana ny tale kabinetra teo aloha, eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika, Andrianarisoa Romy, ny depiote Randrianasoloniaiko Siteny. “Tokony hotanterahina eto Madagasikara izany rehefa nohelohin’ny fitsarana britanika izy satria raharaha kolikoly sady tratra ambodiomby”, hoy izy.

Navoakan’ny depiote Ratsiraka Roland tao amin’ny pejy facebook fa maro ireo mangataka azy hilatsaka ben’ny Tanàna ao amin’ny kaominina Toamasina I. Efa nampirisika azy tahaka izany koa ny depiote, i “Del kely”. Mikendry rahateo ny hifehy ny renivohi-paritany enina ireo avy amin’ny fanoherana amin’io fifidianana depiote io.

Nitohy tany amin’ny faritra Analanjirofo ny fametrahana samboady ireo depiote. Nitarika izany, tany an-toerana, ny filohan’ny Antenimierampirenena, i Tokely Justin, ny sabotsy teo. Nambarany fa ilaina hatrany ny fanajana ny tamberin’andraikitra, andrasan’ireo vahoaka nifidy ny depiote.

Nifamory tao Toamasina, ny sabotsy teo, ireo mpanohana ny filoha teo aloha, Ravalomanana. Voaresaka ny hanatsarana hatrany ny paikady, indrindra ny hiatrehana ny fifidianana ben’ny Tanàna ho avy izao. Niditra an-telefaonina mivantana nitafa tamin’izy ireo ny filoha nasionalin’ny Tim, tamin’izao fihaonamben’ny mpanohana azy izao.

Partager sur: