MFM: “Fahadisoana bevava raha tsy hatao ny fifidianana kaominaly”

Nitondra ny fijeriny momba ny teo-draharaha politika eto amin’ny Nosy ny antko MFM. Mila atao amin’ity taona ity ny fifidianana kaominaly, araka ny heviny.

“Fahadisoana bevava ny zava-misy, raha tsy hatao ny fifidia­nana kaominaly eto Mada­gasikara amin’ity taona ity. Ny hevitry ny MFM: tokony hatao amin’ity taona ity ny fifidia­nana.” Io ny nambaran’ny filoha mpiara-mitantana eo anivon’ ny antoko MFM, Randrianirina Jean Ignace, ny amin’ny fanatanterahana fifidianana kao­minaly. Efa tsikaritra ihany ny fihemorana ho amin’ny 6 novambra. Ta­zana be ny faharesena tamin’ny fifidianana depiote amin’ireo renivohi-paritany. Dia mbola mie­ritre­ritra ny fitondram-panjakana hoe mitady ny fandaminana rehetra hahazoana indray ny maro anisa amin’ny fifidianana kaominaly. Raha ny fijeriny, ny filohan’ny Repoblika amin’izao, tsy mieritreritra fifidianana aloha fa mitady izay fomba hampandehanana sy hampandrosoana ny firenena: nitety fi­renena maro izy. Malaina amin’ ny fifidianana ny fitondram-panjakana: ho tratra ve ny minisitra tadiavina eo anivon’ny fifidianana hatao eto amin’ny firenena?
Eo koa ny lafiny vola… Nefa toa mandeha ihany ny firenena, na tsy misy fifidianana aza.
Efa voasoratra ao anatin’ny lalàmpanorenana ny hoe tsy tokony hanaovana fifidianana ao anatin’ny fotoam-pahavaratra. Rehefa tena jerena, tokony hisy hahitsy ny lalàmpanore­nana. Tsy mety loatra raha atao amin’ny andro fahavaratra ny fifidianana filohan’ny Repoblika sy ny fifidianana solombavambahoaka. Tsy maninona raha
ny fifidianana kaominaly izay manaikaiky vahoaka. Tsy atahorana izany ny hoe voka-pifidianana avy lavitra akarina. Izay fotoam-pifidianan izay no tokony hahitsy.

R. Nd.

Partager sur: