Tsy salama saina: vehivavy voalaza fa very, hita faty notapahin-doha

Voalaza fa tsy hita popoka ity vehivavy iray tsy salama saina. Hitan’ny fokonolona anefa ny vatana mangatsiakany efa notapahin-tenda, omaly. Mbola ifampitadiavana ny lohany.

Vehivavy 59 taona hita faty tsy nisy loha intsony tao amin’ny Andrano­mia­diloha, kaominina Ampi­tana, distrikan’Ambohi­maha­soa, omaly. Nanao filazana tamin’ny radio ny fianakaviany fa tsy hita ny havan’izy ireo nanomboka afakomaly ta­min’ny 1 ora atoandro. Nika­roka ilay renim-pianakaviana ny olona akaiky azy saingy tsy nahita.
Naharay fampahafantarana tampoka izy ireo fa misy fatin’olona hita ao Andra­no­miadiloha, manamorina ny RN7, omaly. Nidina ifotony nizaha ny razana ny fianakaviany. Akory ny hataizan’izy ireo. Ilay vehivavy nifampitadiavana no indro mitsitra sy mihohoka amin’ny tany. Vatana mangatsiaka efa tsy misy loha intsony.
Natao ny fizahana ny manodidina saingy voalazan’ny mpitandro filaminana nampita ny vaovao fa tsy hita popoka ny lohan’ilay vehivavy lasibatra.Vono olona niniana natao ny ahiahy voalohan’ny mpanao famotorana, nizaha ny zava-nisy teny an-toerana. Tsy hita miaraka amin’ny olona nahavanon-doza izany.
Taorian’ny fizahan’ny mpanao fanadihadiana, nidina teny an-toerana ihany koa ny mpitsabo nanamarina ny zava-nisy, indrindra ny fanama­rinam-pahafatesana. Natolotra ny fianakaviany ny razana taorian’izay. Misokatra ny fanadihadiana, mandeha ny fikarohana ny tompon’antoka sy ny nanarian’ny olon-dratsy ilay lohany.
Marihina fa nanana olona ara-tsaina ity vehivavy lasibatra ity, araka ny fanamarihana avy amin’ny mpitandro filaminana.

Tsiferana R.

Partager sur: