«Opération Harato»: dahalo mpaka an-keriny maty voatifitra

Nifamaly tifitra tamin’ny zandary sy ny Tafika ny dahalo ampolony tao amin’ny kaominina Ambakireny, omaly maraina. Maty voatifitra ny iray tamin’ireo olon-dratsy mpaka an-keriny.
Nifanenjehan’ny mpitandro filaminana, lavon’ny bala i Njaka Bara na i Popoka, dahalo ikoizana amin’ny fakana an-keriny tao amin’ny distrikan’i Tsaratanàna, omaly maraina.
Anatin’ny hetsika “Ha­rato”, mpitandro filaminana 11 lahy, nahitana zandary 7 sy tafika 4, no nifandona tamin’ny dahalo 20 mahery tao amin’ny kijanan’i Satoto, kaominina Ambakireny.
Nanao ny vela-pandrika hanatrarana ny mpiray tsikombakomba amin’io dahalo raindahiny atao hoe Popoka io ny mpitandro filaminana. Noken­drena hotratrarina niaraka taminy ny dahalo atao hoe Florent, anisan’ny tompon’antoka amin’ny fakana an-keriny ao Anjozorobe. Hitoroka ny toerana misy io namany io i Popoka izay efa teny am-pelatanan’ny mpitandro filaminana. Nanapoaka basy avy hatrany anefa ireo dahalo namany ka nanararaotra nandositra izy. Maty voatifitra tamin’io fotoana io ity farany. Tafaporitsaka ireo namany.
Avotry ny mpitandro filaminana ny olona folo nalain’ny dahalo an-keriny tao amin’ny kaominina Ambohibary Vohi­lena, omaly.

Tsiferana R.

Partager sur: