Sombim-baovao

Raha tsy misy ny fiovana, hanainga eto an-tanindrazana hihazo ny Nosy Maurice, ny 15 aogositra ho avy izao, ny ekipan’ny Disciples FC Vakinankaratra. Hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika « Ligue des Champions-Caf » izy ireo, ka ny Orlando Pirates avy atsy Afrika Atsimo no hihaona amin’izy ireo.

Tafakatra ao amin’ny dingana manaraka, fifaninanam-pirenena « World Cola Ligue des Champions D2 Nasionaly », ny ekipan’ny AS St Anne Analamanga. Nisaraka ady sahala, 0 no ho 0, ny fihaonan’izy ireo sy ny Asja Requin Diana. Tsiahivina fa izay ekipa telo isam-bondrona ihany no miakatra eo amin’ny dingana faharoa.

Hotanterahina ny alahady ho avy izao, etsy Malacam Antanimena, ny fifanintsanana nasionaly, taranja rugby, diviziona faharoa, federaly II. Miisa efatra ny lalao handeha eny an-toerana amin’io fotoana io. Hamarana ny lalao eny an-kianja ny fifanandrinan’ny Rosa Antohomadinika sy ny 3F5 Amboditsiry.

Araka ny fikarohana natao tao anaty tambajotran-tserasera, hifindra hilalao ao amin’ny klioban’ny FC Barcelone Espagne i Dani Olmo, espaniola mpilalao baolina kitra. Mitentina 55 tapitrisa euro eo ny vola nifanarahan’ny roa tonta tamin’ity fifamindram-pilalao ity. Tsiahivina fa nisongadina nandritra ny Euro farany teo i Olmo.

Partager sur: