Tra-tehaky ny polisim-pirenena ny lehilahy folo mpanendaka sady mpitsindrona rôrô tetsy Antohomadinika, omaly.
Nanaovan’ny polisy be midina, voasambotra avokoa ny andian-dehilahy mpitsindrona zava-mahadomelina mahery vaika teny amin’ny fokontany Antohomadinika, omaly maraina. Naharay loharanom-baovao ny polisy fa manjaka ny fidorohana rôrô eny amin’ny manodidina. Tsy vitan’izay, manao sinto-mahery sy manendaka ny mpandalo amin’ny andro atoandro hatramin’ny alina ireto mpitsindrona. Fantatra ny ivon-toerana fitsindroman’ izy ireo io karazan-drongony simika io. Vokany, tratra teo am-pikirakirana heroine ny lehilahy miisa valo. Tsy afa-nandositra ny polisy avy eo amin’ny CSP4 intsony izy ireo ka noraisim-potsiny. Nahitana vovoka rôrô niampy fitaovam-pitsindromana samihafa tao amin’io toerana io.
Mpanendaka ny roa lahy
Ankoatra ireo mpanendaka ireo, tratra hariva sy mivoaka vao maraina eny amin’io fokontany io ny roa lahy hafa voasambotra. Nikasa mbola handositra ny polisy hisambotra azy izy roa ireo saingy tsy afa-nanao na inona na inona intsony. Nentina natao famotorana, hatolotra ny fampanoavana tsy ho ela izy folo lahy ireto. Marihina, manimba ny ankamaroan’ny tanora amin’ izao fotoana ny fidorohana zava-mahadomelina.
Tsiferana R.




