Mpanendaka eny Anosizato: enina mianadahy niara-notanana am-ponja

Notanana am-ponja tao­rian’ny fampanoavana ireo enina mianadahy mpanendaka tratra teo Anosizato, omaly. Miara-miasa, manao hevi-petsy ireo mpanendeka ireo. Vehivavy ny efatra izay anisan’ ny mpampanofa tena eny amin’ ny manodidina. Mody mijorojoro amin’ny alina izy ireo amin’ iny faritra iny ary mitazan-davitra ireo mpanendaka namany. Ham­piresahan’ ireo vehivavy ireo lehilahy mpody alina. Ha­naovany ny fomba ratsiny tampoka. Mila vaniny ary mam­piaka-peo ireo vehivavy ireo. Mipoitra tampoka ireo mpanendaka namany. Mida­roka avy hatrany izay lasibatra sady manendaka ny finday sy maka ny vola. Tsikaritra ny fokono­lona io toetra ratsin’izy ireo io. Nosamborina ireo olon-dratsy. Nanampy tamin’ny fanatra­rana azy ireo ny zandary. Vo­kany, vehivavy efatra sy lehilahy telo niara-voasaringotra. Natolotra ny fampanoavana ny raharaha ka voatana am-ponja ny enina mianadahy. Arahi-maso kosa ny iray.

Mpameri-keloka
Tsy vaovao amin’ny mponina eny an-toerana, efa mpanendaka ikoizana ary mpameri-keloka atao hoe Monaka ny iray tamin’ireo voasambotra. Efa nisazy tany am-ponja vo­katry ny asa fanendahana io lehilahy io. Marihina, mampitaraina ny mponina mifamezivezy eny amin’ny faritra Ano­sizato sy Anosibe, ny fisian’ny mpanendaka amin’ny atoandro indrindra ny alina.

Tsiferana R.

Partager sur: