Tselatra

Mpitondra moto scooter iray naratra mafy nifandona tamin’ny fiara teny By-pass, omaly tolakandro. Mafy ny fifandonana ka potika tanteraka ny lohan’ilay fiara. Tsy nisy aina nafoy.
Takalonaina efatra indray lasan’ny dahalo tao amin’ny tanànan’Ambarinakoho, kaominina Anjozorobe, afakomaly alina. Vehivavy avokoa izy efatra ireo. Miaina anaty horohoro tanteraka manoloana ny tranga fakana an-keriny ny mponina ao anatin’io distrika io.
Manaraka fitsaboana ilay renim-pianakaviana hany sisa tsy namoy ny ainy tamin’ireo telo mianaka niharan’ny lozam-pifamoivoizana tao amin’ny RN44, fiolanana Andilampotsy, Ambatondrazaka, afakomaly. Ny vadiny sy ny zanany 10 taona izay niara-maty.

Partager sur: