Raim-pianakaviana iray hita faty tao an-tranony, tao Ambatoharanana Miadamanga, kaominina Andasibe, afakomaly. Namono tena izy, araka ny loharanom-baovao.
Olona telo naratra vokatry ny lozam-pifamoivoizana teny amin’ny RN4, teo anelanelan’i Beronono sy Mangapaika, kaominina Antanambao, ny 5 aogositra teo. Tafavoaka ny arabe ka nidona tamin’ny sisin-dalana ny taksiborosy iray. Niala avy any Mahajanga nikasa hihazo an’Antananarivo izy ireo.