Taranja nisongadina tamin’ity taona 2022 ity ny taranja basikety malagasy, indrindra teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Tao anatin’ny 3 volana monja, tapakila roa hiatrehana ny fiadiana ny amboara eran-tany amin’ny taona 2023. Voalohany amin’izany ny Ankoay zazalahy U18, nandrombaka ny tompondaka lefitra tamin’ny Afrobasket, natao teto Madagasikara ka hiatrika ny “World Cup U19”, ny 24 jona hatramin’ny 2 jolay 2023, any Hongrie. Dingana goavana ary sambany teo amin’ny tantaran’ny basikety malagasy ny zava-bitan’ny mpilalao malagasy. Mbola nanoratra tantara ihany koa, ny volana novambra lasa teo, ny ekipa malagasy lehilahy, sokajy senior, niatrika ny fiadiana ny amboaran’i Afrika 3×3 tany Senegaly. Voahosotra ho tompondakan’i Afrika ry Elly sy ny namany ka avy hatrany dia nahazo ny tapakila hiatrehana ny fiadiana ny amboara eran-tany 3×3 hatao any Aostralia, ny volana mey 2023. Tetsy ankilany, tompondaka lefitra ny vehivavy ka hiatrika ny fifanintsanana amin’ny “World Cup 3×3” hatao any Israely. Nambaran’ny filohan’ny Federasiona malagasin’ny basikety, Ramaroson Jean Michel, fa ezaka goavana no natao nahatongavana tamin’izao dingana izao. Teo ihany koa, hoy izy, ny fanohanan’ireo mpiara-miombon’antoka, ny minisitera ary ny Komity olympika malagasy. Nanamarika ity taona 2022 ity ihany koa ny fanofanana ireo mpilalao malagasy, tamin’ilay fandaharanasa “Youth Camp”, niarahana niasa tamin’ny Fiba sy ny NBA. Nisitraka izany teto Madagasikara sy tany ivelany ny mpilalao malagasy, ka nampiakatrabe ny lentan’izy ireo. Nohamafisin’ny filohan’ny FMBB fa mbola ho maro ny fifaninanana iraisam-pirenena sy fiofanana miandry amin’ny taona ho avy.
Mi.Raz