Nohamafisin’ny filankevitry ny governemanta omaly, fa hatao ny 11 desambra ny fifidianana ben’ny Tanàna amin’ny kaominina rehetra manerana ny Nosy, na ambonivohitra na ambanivohitra. Tsy niova amin’ny tolo-kevitry ny eo anivon’ny Ceni izany ny tetiandro ary izao nankatoavin’ny fitondram-panjakana izao.
Voatendry ho tale jeneraly vaovao eo anivon’ny Bianco Razakamanantsoa Gaby Nestor. Anisan’ireo kandidà telo natolotry ny CSI tamin’ny filohan’ny Repoblika ny tenany. Tsiahivina fa nisolo toerana ny tale jeneraly teo aloha, Andrianirina Laza, izy. Maharitra 5 taona tsy azo havaozina ny fotoam-pitantanany ity rafitra miady amin’ny kolikoly ity.
Natolotry ny fanjakana ho kandidà ho filohan’ny Vondrona afrikanina (UA) ny minisitry ny Raharaham-bahiny teo aloha, Randriamandrato Richard. Araka izany, tsy neken’ny fitondram-panjakana ny nanolorana sy nanohanana ny firotsahan’ny filoha teo aloha, Rajaonarimampianina Hery ho amin’izany fitantanana ny UA izany.