Tsy tafita amin’ny dingana manasa-dalana, lalao Olympika Paris 2024, i Sidonie Fiadanantsoa, Malagasy vehivavy mpihazakazaka 100 m misy fefy. Laharana fahenina izy omaly, ary 13 segondra sy 12 ampahazatony no nahavitany ny hazakazaka. Mihintsana izy taorian’izay “répechage” nataony omaly izay.
Resin’i Afrika Atsimo tamin’ny isa 3 no ho 0, i Madagasikara nandritra ny andro faharoa hiadiana ny ho tompondakan’i Afrika aty amin’ny faritra Atsimo, sokajy U12, taranja tenisy ho an’ny lalao isan-tarika, izay atao any Mozambika. Hiady laharana ny lehilahy taorian’io faharesena io, raha toa ka hifanandrina amin’i Afrika Atsimo ihany ny vehivavy, anio.
Nanao fanazarantena niaraka tamin’ny Real Madrid, i Kylian Mbappé, frantsay mpilalao baolina kitra, omaly. Tsiahivina fa i Mbappé no mpilalao vaovao an’ny Real ary manana vina ny hiatrika ny “Super coupe d’Europe” ny 14 aogositra ho avy izao. Tonga tamin’ity fanazarantena ity ihany koa ry Bellingham, Valverde, Mendy.
Araka ny fikarohana natao omaly tao anaty tambajotran-tserasera, nanapa-kevitra ny hisotro ronona amin’ny sehatra matihanina amin’ny baolina kitra i Pepe, vodilaharana portiogey. 41 taona ny tenany ary tamin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa « Euro 2024 » no nahitana azy teny ambony kianja farany.