Foulpointe: mpitondra fivavahana naiditra am-ponja

Miseholany ny fampidirana am-ponja mpitarika fiangonana ao amin’ny faritra Atsinanana. Voasaringotra ho nanao taratasy hosoka ny presibitera iray.

Mpitarika fivavahana iray ao amin’ny fiangonana fanta-daza ao Mahavelona Foulpointe, naiditra am-ponja vonjimaika ny fiandohan’ny volana aogositra teo. Taorian’ny famotorana azy, teo anivon’ny fampanoavana, fitsarana ambaratonga voalohany, araka ny fitoriana nataon’ny lehiben’ny fiangonana azy. Nanao fanararaotam-pahefana izy. Notsaraina tao amin’ny efitrano fitsarana ambaratonga voalohany, andron’ io ihany, ka notanana vonjimaika any am-ponja. Olona iray hafa voasaringotra tamin’io raharaha io. Eveka avy ao amin’ny (Worldwide Anglican Church eto Mada­gasikara) no nitory azy ireo. Manana ny foibeny any Kampala Ouganda ity fiangonana ity.

Taratasy hosoka
Tompon’antoka tamin’ny fanaovana taratasin-tany hosoka io mpitondra fivavahana naiditra am-ponja io. Hankalaza ny faha-160 taona niorenany ao Foulpointe, ny fiangonana amin’ ity taona ity kanefa misy mibodo ny tany izay tsy olona hafa fa ireo mpitarika nisintaka. Tombanan’ny mpanara-baovao ho valifaty avy amin’ny eveka izao rehetra izao noho ireo presibitera maro nisitaka tsy ho eo amin’ny fitarihany ary nitory azy teo anivon’ny fitsarana ady heloka bevava tamin’ny fanodinkodinana vola 218 tapitrisa Ariary izay efa notsaraina ny 9 aogositra 2016, andrasana izay ho tohin’ny raharaha.

Sajo

Partager sur: