Raharaham-pitsarana: olom-boafidy very vola 9 tapitrisa Ar

Hiakatra fitsarana ny 22 aogositra izao ny raharaha momba ny fahaverezana vola 9 tapitrisa Ar mahery an’ny olom-boafidy iray tao amin’ny trano fandrasaim-bahiny iray ao Foulpointe. Niaraka tamin’ny vady aman-janany, nametraka ny entany rehetra tao amin’io toerana io ilay solombavambahoaka. Na­na­ra­raotra nivoaka izy mianakavy ary nanidy ny efitrano voatokana ho azy ireo. Niverina hamonjy io toerana io, talanjona ilay olom-boafidy nahita fanalahidy teo amin’ny varavaran’efitry ny trano. Tsy hita ny vata fitoeram-bola izay nokasain’izy ireo hanaovana ny fialantsasatra. Nanatona ny tomponandraikitry ny trano fandraisam-bahiny izy ireo ka niafara tamin’ny fampiakarana ny raharaha teny anivon’ny fitsarana izany. “Maty avokoa ny Caméra de surveillance tao amin’io trano fandraim-bahiny io tamin’io fotoana nandalovan’izy ireo tao io”, araka ny fanazavan’ny lasibatra. Nie­zaka niantso ny tomponandraikitr’ ilay hotely saingy tsy nahazoam-baovao.

Tsiferena R.

Partager sur: