Taratry ny kanto

 Fotoan-dehibe ho an’ny mpankafy mozika, indrindra ny Jazz, ity faran’ny herinandro ity. Hanamarika izany mantsy ny « Jazz Street », atao eny amin’ny Tohatohabaton’Antaninarenina, anio, sy ny “Grande Scène”, manoloana ny Lapan’ny Tanàna Analakely, rahampitso. Hetsika samy tafiditra ao anatin’ny “Festival Jazz Tohatohabato”, andiany faha -13.

 “Les Elles des jeux”, fampirantiana atao eny amin’ny IFM Analakely, hatramin’ny 7 septambra 2024. Hetsika natao hampahafantarana ireo vehivavy nisongadina tamin’ny fandraisana anjara teo amin’ny tantaran’ny lalao Olympika. Mampahafantatra ny haitaky nataon’ireo vehivavy nandritra ny taona maro, nahafahana nandray anjara tamina lalao ara-panatanjahantena, indrindra ny lalao Olympika.

 Tanterahina anio, manomboka amin’ny 10 ora maraina, eny amin’ny Fondation H Ambatomena, ny hetsika hanehoan’i Dalila Dalléas Bouzar ny vokatry ny fikarohana nataony, nandritra ny fivahinianana tao amin’ny Fondation H, nanditra ny 3 volana. Asaina, araka izany, ireo mpitsidika hijery ny zavakantony sy hitafa manodidina ny fikarohana nataony.

 « Iray feo ho an’i Kristy », fampisehoana ara-pilazantsara iarahana amin’i Rija Rasolondraibe sy Joseph d’Af ary pasteur Jocelyn Ranjarison, eny amin’ny Coliseum Antsonjombe, anio tolakandro. Fotoana hiderana an’Andriamanitra, amin’ny alalan’ny mozika sy ny hiran’ireo mpanakanto mandray anjara izy ity, araka ny nambaran’ny mpikarakara.

Partager sur: