Indray mijery

Tsy mandray mpiasam-panjakana vaovao ny minisitera rehetra ao anatin’ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana 2024, ankoatra ny fitandroana ny filaminana. Hisy fiantraikany amin’ny fahasalamam-bahoaka eny ifotony ny fanapahan-kevitra satria betsaka ny fotodrafitrasam-pahasalamana miorina tsy misy mpiasa.
Nivory niaraka tamin’ny tomponandraikitra sy talen-tsekoly avy amin’ny tsy miankina ny ekipan’ny Ofisy nasionaly misahana ny sekoly miahy tena (ONEP) eo anivon’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena. Antony, ho fanatsarana ny fikirakirana ny « subventions » ao amin’ny Dren Matsiatra Ambony. Nivoitra tamin’izany ny mahakasika ny fahazon-dalana hampianatra.
Nahomby ny fandidiana fampisarahana ireo zazakely kambana miraikitra, i Tahinjanahary sy i Fanambi­nan­tsoa, tao amin’ny Hopitaly CHUJRA Ampefiloha, tamin’ity herinandro ity. Avy any amin’ny kaominina Atsimadilo,
distrika Arivonimamo, izy ireo. Noraisin’ny minisitera an-tànana izy ireo nanomboka tamin’ny fahaterahany ka hatramin’izao fandidiana izao. Tsy maintsy niandry azy ireo ho ampy lanja vao niroso tamin’ny fandidiana ary mitohy hatrany ny fitsaboana sy ny fanaraha-maso akaiky azy ireo.

Partager sur: