Voasambotra tao amin’ny fiantsonan’ny taksiborosy Mahitsy ny lehilahy iray nangalatra akoho, ny sabotsy 9 aogositra teo, tamin’ny 3 ora maraina. Nitondra jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro, tsikaritry ny zandary nanao fisafoana ho hafahafa ny fihetsik’io lehilahy io. Nosavaina ny kitapo teny aminy. Tratra tao anaty gony ny akoho mitotaly 30 isa. Nibaboka io lehilahy io fa avy nangalariny tao Ankadifotsy, kaominina Mahitsy, avokoa ireo biby fiompy ireo. Nokasainy hoentina hiakatra ny renivohitra hamidy. Nametraka fitoriana ny tompon-trano lasibatra ka naverina amin’izy ireo ny entana. Natao famotorana ka notanana vonjimaika any am-ponja ilay mpangalatra.
Tsiferana R.