Niakatra fampanoavana, notanana vonjimaika eny amin’ny fonjaben’i Tsiafahy, ny teratany vahiny iray, afakomaly. Notsatohany antsy ny vadiny tao Anjomakely.
Nosamborin’ny mpitandro filaminana ny teratany vahiny iray ahina ho namono nahafaty ny vadiny tao Anjomakely, kaominina Bongatsara, ny 10 aogositra teo tamin’ny 10 ora alina. Nitabataba sy nanakorontana ny mpiara-monina io lehilahy io. Niantso mpitandro filaminana ny fokonolona. Nilaza ilay teratany vahiny fa maratra ao an-tranony ny ramatoa vadiny. Nijery io olona voalaza ho maratra io ny zandary. Voatsatoka zava-maranitra teo amin’ny feny io ramatoa io. Very ra be loatra izy ary efa nitsirara teo ambony seza. Tsy nisy aina intsony io vehivavy 31 taona io. Nampiahiahy ny manodidina io tranga io satria tsy nisy afa-tsy ilay teratany vahiny sy ny vadiny irery no tao amin’io trano io.
Nanda
Notanana tamin’io fotoana io ilay teratany vahiny. Nentina natao famotorana izy. Ny loharanom-baovao voarain’ny mpanao fanadihadiana izay nanamafy rahateo fa tsy nisy olon-kafa nifanerasera tao anatin’ny trano ankoatra azy mivady ireo. Ankilany, nanda ny fiampangana azy ho namono ilay ramatoa io teratany vahiny io. Natolotra ny fampanoavana izy taorian’io ka notanana vonjimaika eny amin’ny fonjan’i Tsiafahy.
Tsiferana R.