Fifampitifirana mahery vaika: zandary naratra, dahalo iray maty

Lasibatry ny asan-dahalo tato ho ato ny mpitandro filaminana mihatrana an-kianja. Naratra mafy voan’ny tifitry ny olon-dratsy ny zandary iray tao amin’ny distrikan’i Marovoay, afakomaly.

Naratra voatifitry ny da­halo nandritra ny fifandonana ny zandary GC1 iray tao Ambalihabe, fokontany Androtra, kaominina Ankaraobato, distrikan’i Marovoay, afakomaly. Nanao fanarahan-dia ny dahalo ikoizana, fantatra amin’ny solon’ anarana hoe, Zaman’i Voa­tango, ny zandary miisa telo sy ny fokonolona. Nitondra fitaovam-piadiana mahery vaika anefa ireo dahalo. Ni­tifitra avy hatrany ny mpanara-dia raha vantany nahatazana azy ireo, tamin’ny 5 ora sy sasany hariva. Tetsy ankilany, namaly tifitra ho fiarovan-tena ireo zandary. Naratra mafy voan’ny balan’ireo tsy valahara anefa ny iray tamin’ireo zandary avy ao amin’ny to­bim-paritra Manaratsandry. Tetsy ankilany, lavon’ny balan’ny mpanara-dia ny dahalo iray ka maty.

Nahazo fitsaboana
Natao Evasan tao Ma­soala, taorian’ny fahavoazany, io zandary naratra io, ny harivan’ny 15 aogositra ta­min’ny 6 ora sy sasany. Nen­tina niakatra ao amin’ny CHD Marovoay izy hanohizana ny fitsaboana azy. Mitohy ny fanarahan-dia ireo dahalo ataon’ny mpitandro filaminana sy ny fokonolona. Raha tsiahivina, zandary iray namoy ny ainy vokatry ny fifandonana tamin’ny dahalo tao Beraketa, ny alatsinainy 12 aogositra teo. Lasan’ireo mpangalatra omby ny fitaovam-piadiana teny aminy. Ankoatra io, zandary iray hafa koa naratra voan’ny bala teo amin’ny tendany tao amin’ny kaominina Ivohibe, ny 6 aogositra teo. Mitohy ny ady ataon’izy ireo amin’ny asan-dahalo.

Tsiferana R.

Partager sur: