Fanafihana : roa lahy lehiben’ny dahalo voasambotra

Dahalo roa lahy tra-tehaky ny zandarimaria miasa ao Evato, anatin’ny kaominina Vohilengo, distrikan’i Fara­fangana, ny 13 aogositra teo. Nitrangana fanafihan-dahalo tao amin’ny tanànan’i Be­taikaomby, ny alin’ny 19 jolay tamin’ny 11 ora alina. Ni­tondra fitaovam-piadiana ireo olon-dratsy tamin’io fotoana io. Nanao ramatahora ny tompon-trano, nandratra olona tao amin’ny tokantrano lasibatra izy ireo. Nanokatra fanadihadiana ny mpitandro filaminana. Dahalo iray maty rehefa nifamaly tifitra tamin’ny zandary. Azo sambo-belona ny roa namany ka notanana am-ponja taorian’ny fampanoavana. Ankoatra io, nanao ampamoaka ny fokonolona momba ireo tompon’antoka tamin’ny fanafihana anatin’ny kaominina telo manodidina. Nato­lotr’izy ireo ny mpitandro filaminana ny roa lahy izay ani­san’ny voasaringotra tamin’ny fanafihana niseho tamin’ny 19 jolay io. Aterina eny anivon’ny biraon’ny tobim-paritry ny zandarimaria ao Farafangana ireo olon-dratsy roa ireo. Atolotra ny fampanoavana aorian’izay.

Tsiferana R.

Partager sur: