Fatim-behivavy mitsirara hitan’ny fokonolona tao Ambohimanga, fokontany Miakadaza, kaominina Imerintsiatosika, omaly tamin’ny 2 ora tolakandro. Mpanao biriky iray teo amin’ny manodidina no nahatsikaritra olona nitsirara tao anaty kirihitra tao an-kady. Hatairana, nikoropaka niantso ny mponina manodidina avy hatrany io lehilahy io. Nojerena, fatim-behivavy ity nisy nanary ity. Nidina ifotony nanao ny fizahana ny mpitandro filaminana sy ny mpitsabo. Voamarina fa niharan’ny tsatoka zava-maranitra ny vatan’io vehivavy manodidina ny 30 taona io. Niezaka namantatra azy ny mponina manodidina saingy vaovao amin’izy ireo ny endrik’ity olona nisy namono ity. Niniana notrobarana zava-maranitra ny tendan’io lasibatra io. Rakotra ratra ihany koa ny faritry ny lamosiny. Nentina nihazo ny tranom-patin’ny hopitaly ao an-toerana ny vatana mangatsiakany.
Tsiferana R.