Saika namoy ny ainy mihitsy ilay tovovavy nodarohan’ny sakaizany tao amin’ny fokontany Ambohimiadana Morondava, kaominina Ambohibao, ny alahady alina teo. Potika tanteraka ny tarehin’ilay tovovavy sady nihosindra tanteraka. Voalaza fa resaka hasarotam-piaro no nitarika ity sakaizany hanao herisetra tamin’io olon-tiany io. Henon’ny olona mpiray vodirindrina aminy ny herisetra nataon’ity tovolahy ity ka nahatonga ny zandary niditra an-tsehatra nisambotra azy. Fantatra fa tsy vao izao fa matetika io sakaizany io no manao fihetsika tsy mendrika amin’io tovovavy io saingy tsy sahy mitaraina izy noho ny tahotra. Nentina nanaovana fanadihadiana avy hatrany ilay tovolahy sakaizany io. Nanamafy ny zandary fa tsy azo atao ny manao herisetra amin’ny alalan’ny vono sy daroka miteraka ratra toy izao. Misy lalàna mifehy ny fikasihan-tanana toy izao. Andrasana ny tohin’ny fanadihadiana.
J.C