Hiaraha-hiasa ny Fandaharanasan’ny Firenena Mikambana momba ny Fampandrosoana (Pnud) sy ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Varotra (MIC) amin’ny fanohanana ny sehatra tsy miankina. Hatsaraina ihany koa ny taha-pahavitrihan’i Madagasikara amin’ny varotra sy ny fandraharahana.
Hamafisina ny fiaraha-miasa i Madagasikara sy Indonezia eo amin’ny sehatry ny fitaterana sy ny fambolena, ary ny toekarena manga. Laharam-pahamehan’ny firenena roa tonta ny fampandrosoana maharitra sy ny fampiroboroboana ny toekarena.Vonona hizara ny fahaizany sy ny hikaroka vahaolana hamaliana ireo fanamby mifandray amin’ny loza voajanahary ny dinika natao.
Namboarina ny lalana mampitohy an’i Manja sy i Vondrove, hanohanana ny tantsaha hivarotra ny vokatra sy hitondrana fampandrosoana ao amin’ny kaominina. Efa mamokatra ihany koa ny 560 ha amin’ireo velaran-tany fambolem-bary 1800 ha. Tanjona ny hanatsara ny famatsian-drano toy ny tohadrano sy ny lakandrano lehibe ao Vondrove.