Namoaka ny filaharan’ireo ekipa mivondrona ao aminy ny federasiona iraisam-pirenen’ny baolina kitra (FIFA) , omaly alakamisy. Tsy mihetsika fa mijanona eo amin’ny laharana faha-102 maneran-tany ny Barea de Madagascar. Noho ny tsy mbola fisian’ny lalao nataon’ny Malagasy ny anton’izany, araka ny voalaza.
Tsy nisy fiovana toy izany koa ny voalohany satria mbola ny Seleçao Brezila hatrany no mitarika. Niakatra eo amin’ny faharoa kosa ny Albiceleste Arzantina, raha fahatelo izy ireo, roa volana lasa izay. Ny nandrombahany ny amboara eran-tany farany teo ny nahafahany niakatra, tamin’ity. Nandingana zana-tohatra iray ihany koa ny Les Bleus Frantsa satria eo amin’ny fahatelo, raha toa ka fahefatra, talohan’izao. Nivarina any amin’ny fahefatra i Belzika izay nitana ny laharana faharoa, tamin’ny fanasokajiana farany. Tsy tafiditra ao anatin’ny “Top 10” ny Manschaft Alemaina, tamin’ity satria any amin’ny faha-14 ry zalahy.
Laharana faha-11 ny Lionan’i Atlas Maraoka, Raha tsiahivina, faha-22 izy ireo izao nanao vikin-dava izao. Nahatonga izany ny zava-bitany nandritra ny “Mondial 2022” teo . Ry zareo Maraokanina, izay hany ekipa afrikanina tokana, niatrika ny manasa-dalana, tamin’ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany natao farany teo.
Nihemotra faha-19 kosa ny Lionan’i Teranga Senegal. Faha-30 i Tonizia raha faha-33 i Kameronina ary any amin’ny faha-58 ny Kintana maintin’i Ghana.
Raha eo anivon’ny kaonfederasiona afrikanina (CAF) kosa, nosongonan’i Maraoka indray i Senegal. Mijanona eo amin’ny laharana fahatelo hatrany kosa i Tonizia. Faha-23 aty Afrika kosa ny ekipam-pirenena malagasy. Mbola mitana ny laharana farany hatrany, hatreto, ho an’ny FIFA ny San Marino.
Tompondaka