Tovolahy iray hita faty nisy namono tao Anjoma Toamasina, afakomaly. Tratran’ny ady tambabe nataona andian-jatovo izy ka nitarika ny fahafatesany…
Nitrangana vonoan’olona feno habibiana indray tao an-dRenivohitry ny faritra Atsinanana, afakomaly. Tao Anjomba, tsy lavitra ny toeram-pilanonana iray, mifanakaiky amin’ny lalamby, no nahitana ny fatiny. Raha ny angom-baovao voaray, vonoan’olona niniana natao no nitranga tamin’ity tovolahy niharam-boina ity. Andian-jatovo maromaro no voalaza fa nidaroka sy nanao ady tambabe taminy. Araka ny fitsirihana nataon’ny dokotera nanao fizahana ny razana, pempo ny handriny, mangana ny lohaliny sy ny takibany. Nahitana faritra nodorana koa teo amin’ny kibony, nivoaka ra koa ny vavany. Tsy mbola nisy nitonona ho fianakaviany tonga nanatona ny tranom-patin’ny Hopitalibe Toamasina, hatramin’ny omaly.
Mihantsy ny mpitandro filaminana ny jiolahy…
Manoloana ny fisian’ireo razana tsy alain’ny havana ao amin’ny tranom-patin’ny Hopitalibe Analankininina, mitaraina ireo mponina manodidina ny hopitaly. Efa tokony halevin’ny kaominina ireo razana tsy misy mpaka ireo satria simba ka mamofona manerana ny tanàna, raha ny fitarainan’ireo mponina. Raha ny fombafomba, efatr’andro aorian’ny hidiran’ny razana ao amin’ny tranom-paty dia tokony halevin’ny kaominina any amin’ny toeram-pandevenana ireo razana tsy halain’ny fianakaviany, hoy ny fanazavan’ny tomponandraikitry ny tranom-patin’ny hopitaly.
Manao ezaka ny tomponandraiki-panjakana ao Toamasina amin’ny fametrahana fandriampahalemana maharitra. Tsikaritra anefa fa vao mainka manao ny ataony hatrany ny jiolahy na eo aza ny fampitandremana mafy ataon’ny polisy fa tsy hitsitsy izy ireo amin’ireo izay tratra. Mihantsy tanteraka ny mpitandro filaminana ny jiolahy?
Sajo/J.C