Hotohoton’ny afo ny tokantrano maherin’ny 10 tao Ampasimopera, fokontany Morondava Centre, omaly tamin’ny 11 ora maraina. Niainga avy amin’ny afo nandrahoana sakafon-kisoa ny firehetana, araka ny loharanom-baovao. Niparitaka tao anatin’ny minitra vitsy anefa ny afo, nahazo ny trano fonenan’ny mponina manodidina. Nifamonjena navoaka ny entana sy izay rehefa azo navotana. Nifindra tsikelikely tamin’ny trano hafa ny afo ka tafakatra am-polony ireo lasibatra. Nifanome tanana ny mpiray tanàna namono sy nifehy ny firehetana. Nihatrana teny an-toerana koa ny mpamonjy voina avy ao amin’ny kaominina Morondava. Nananosarotra ny famonjena ireo trano. Nanampy ny lasibatra tamin’ny fifehezana izany koa ny sampana mpamonjy voina eo anivon’ny Adema ao an-toerana taorian’ny antso avo nataon’ny tomponandraikitra. Tsy nisy aina nafoy.
Tsiferana R.