Voasambotry ny zandarimaria ao amin’ny tobim-paritra Andoharanofotsy ny mpisoloky iray, omaly. Nokarohina hatry ny ela, voasaringotra tamin’ny raharaha fivadiham-pitokisana sy fisolokiana io lehilahy io. Atao famotorana ary hatolotra ny fampanoavana izy aorian’izay.
Nisedra olana teknika, nifatratra tamin’ny kamiao nifanoha-dalana taminy ny kamiao iray teny Fasankarana, omaly maraina. Potika tanteraka ny lohan’ny fiara roa tonta. Tsy nisy aina nafoy.
Vehivavy nangalatra tao amin’ny tranom-barotra iray voasambotry ny fokonolona tao amin’ny Bazary Marolaka, Mahajanga, omaly. Tsikaritry ny mpivarotra ny fihetsiny ka noraisim-potsiny izy. Nalain’ny mpitandro filaminana hatao fanadihadiana io mpangalatra io.
Olona 450 eo ho eo tra-boina vokatry ny haintrano mahatsiravina niseho tao amin’ny distrikan’i Miandrivazo, faritra Menabe, ny afakomaly alina. Samy rendriky ny torimaso ny fokonolona no nirehitra tampoka ny afo. Trano 51 kila. Olona efatra naratra ka efa manaraka fitsaboana.
Olona roa niara-maty navadiky ny lakana hihazo an’i Soalara Atsimo, ny alarobia maraina tamin’ny 1 ora. Miisa 13 ireo tao anatin’io lakana io. Avotra soamantsara avokoa ireo 11 hafa. Lakana nandalo no nanavotra azy ireo.