“Sehatra telo goavana azo hampiasam-bola eto Madagasikara ny harena an-kibon’ny tany, ny fizahantany ary ny fandraharahana eo amin’ny fambolena”, hoy ny filohan’ny Vondron’ny orinasa eto Madagasikara (Gem), Rabarijohn Francis, nandritra ny fihaonany tamin’ireo delegasionina avy amin’ny Japan External Trade Organization (Jetro), ny herinandro teo. Zava-dehibe, hoy izy, ny fiaraha-miasa amin’ireo mpisehatra eto an-toerana noho izy ireo mahafantatra bebe kokoa ny zava-misy eto Madagasikara. Antoka ho an’ny fahombiazan’ny tetikasa, araka izany, ny fahalalana ny zava-misy. Ankoatra izay, nanao tombana ny fahitan’ireo tompona orinasa ny tontolon’ny fandraharahana eto Madagasikara ihany koa ny Jetro.
Fotodrafitrasa
Nilaza ny filohan’ny Gem fa fanamby hatrehina hampivoarana ny fampiasam-bola eto Madagasikara ny fanatsarana ireo fotodrafitrasa samihafa, toy ny lalana, ny seranan-tsambo, sns. Eo ihany koa ny fampiroboroboana ny sehatry ny angovo, mba hampihenana ny fiankinan-doha amin’ny Jirama. Ary ny fanamafisana ny rafitra ara-pitsarana hahazoana ny fampiasam-bola, indrindra ny sehatry ny fananan-tany. Ankilany, nitondra fanazavana ireo antony nanaovana ny tombana eo amin’ny fifanakalozana ara-barotra eo amin’i Japon sy Madagasikara ny Jetro. Tanjona ny hampiroborobo ny fifanakalozana ara-barotra sy ny fampiasam-bolan’ny firenena japonais maneran-tany.
Henintsoa Hani