VAOVAO TAMBATRA

Anisan’ny voatazona ho minisitra, hitantana ny Toekarena sy ny tetibola, Rabarinirinarison Rindra Hasimbelo. Ho an’ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro, Ramonjavelo Valery. Ho an’ny Angovo sy ny akoranafo, Jean Baptiste Olivier. Ho an’ny Jono sy ny toekarena manga, i Mahantante Paubert. Ho an’ny Harena an-kibon’ny tany sy ny harena stratejika, Rakotomalala Olivier Herindrainy, …

Voatendry ho minisitra vaovao, hitantana ny Fambolena sy ny fiompiana, i Hajarison François Sergio. Ho an’ny Asa vaventy, Rafidison Richard Théodore. Ho an’ny Fizahantany sy ny asa tanana, i Dewa Viviane. Ho an’ny Fampandrosoana ny niomerika, ny paositra sy ny fifandraisan-davitra, Delmotte Stéphanie. Ho an’ny Rano, Fahadiovana sy ny fidiovana, Andrianamelasoa Lalaina. Ho an’ny Fampirobo­roboana ny indostria sy ny varotra, Ralambofiringa David,…

Manodidina ny 424 500 taonina ny vary nafaran’i Mdagasikara tamin’ny taona 2023, izay misanda 876,6 miliara Ar. Niakatra izany fanafarana izany nandritra ny telo volana voalohan’ny taona, nahatratra hatra­ny amin’ny 207 400 taonina, raha nihena kosa hatramin’ny faran’ny taona.

Partager sur: