Fananganana orinasa : Ozinina 7 182 niforona tanatin’ny telo volana

Niroborobo ny fananganana orinasa tao anatin’ny telo volana voalohan’ny taona. Tafakatra hatrany amin’ny 7 182 ireo orinasa niforona. Nitombo io isa io raha oharina tamin’ny taona 2023.

Mahatratra 7 182, niakatra 6,2% ny tahan’ny orinasa ara-dalàna niforona tao anatin’ny telo volana voalohan’ny taona 2024, araka ny tatitra navoakan’ny Antenimieran’ny varotra sy ny indostria eto Antananarivo (CCIA). Nitombo ity tarehimarika ity raha oharina ny tamin’ny taon-dasa. Miisa 10 ireo orinasa voasokajy ao anatin’ny « Sociétés Anonymes » (SA) izay mitaky fitandremana amin’ny fampiasam-bola noho izy mampiasa renivola betsaka kokoa. Ni­hena ny isan’ireo orinasa voasokajy ao anatin’ny « Sociétés à Responsabilité Limitée » (Sarl). 373 no niforona tao anatin’ny telo volana voalohan’ny taona 2024 raha 491 tamin’ny taona 2023. Izany hoe, nahitana fihenana manodidina ny 24%. Miroborobo kosa ny famoronana «Entre­prise individuelle » (EI) izay tafakatra hatrany amin’ny 6 799 ho an’ny taona 2024, izany hoe, fiakarana 8,6% raha oharina ny tamin’ny taon-dasa, izay 6 260. Antony mahatonga izao ny fironan’ny mpandraharaha misafidy ny rafitra mazava sy mora tantanina.
Seha-pihariana
2% monja amin’ireo orinasa niforona no voasokajy ao anatin’ny seha-pamokarana voalohany (secteur primaire) sy mandraharaha eo amin’ny sehatry ny fambolena, saingy mbola tsy ara-dalàna. Tafiditra ao anatin’ny seha-pamokarana faharoa kosa ny 8% amin’ireo orinasa nitsangana. Ireto farany izay manao ho fanamby ny hamaha ny olan’ny famapiasam-bola, ny fampiasana ny teknolojia ary ireo fampiasana ireo kojakoja samihafa hampandrosoana ny tetikasa sy ny famokarana. Tafakatra 90% ireo orinasa ao anatin’ny sokajim-pihariana fahatelo, ireo mpisehatra ao anatin’ny varotra, fitaterana ary ireo tolotra samihafa. Porofo izao fa manome lanja ny toekarena ny firoboroboan’ireo tolotra samihafa.

Henintsoa Hani

Partager sur: