Nandray ny fitantanana ny minisiteran’ny Atitany ny minisitra vaovao, Rahajavololoniaina Nirintsoa. Nametraka fanamby amin’izao andraikitra horaisiny izao ny tenany.
Notanterahina, omaly, tetsy Anosy, ny fifamindram-pahefana teo amin’ny minisitry ny Atitany mpisolo toerana, Andriantsitohaina Naina, sy ny minisitra vaovao hisahana ny Atitany, Rahajavololoniaina Niritsoa. Nambaran’ny minisitry ny fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany tamin’ny lahateniny ny fankasitrahana ireo mpiara-miasa rehetra. “Anisan’izany ianareo eto anivon’ny minisitera foibe sy hatreny anivon’ny distrika sy ny fokontany rehetra eny, tarihin’ny solontenam-panjakana. Nifanome tanana isika tao anatin’izay fotoana nitantanana vonjimaika ny minisitera izay”, hoy izy.
Etsy andaniny, nisaotra ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, sy ny Praiminisitra, lehiben’ny governemanta, i Ntsay Christian, ny minisitry ny Atitany, Rahajavololoniaina Niritsoa. “Ankasitrahana amin’izao nametrahana ny fitokisana ho amin’ny fitantanana ity minisitera ity izao izy ireo”, hoy izy. Natsidiny sahady fa vonona ny hiara-kiasa amin’ny rehetra ihany koa ny tenany ho fampandehanana ny raharaham-panjakana. Eo koa anefa ny fanatrarana ireo vinan’asan’ny filoham-pirenena, manandrify ny eo anivon’ny minisiteran’ny Atitany.
Tsiahivina fa nametra-pialana ny volana avrily teo ny minisitry ny Atitany teo aloha, i Tokely Justin, noho izy nirotsaka hofidina ho solombavambahoaka. Nofidin’ireo depiote ho filohan’ny Antenimierampirenena ny tenany, ny volana jolay teo.
Synèse R.