Olona iray namoy ny ainy vokatry ny lozam-piarakodia tao Fenoarivo Atsinanana, omaly. Taksiborosy hihazo an’i Mananara Avaratra ity tra-doza tampoka teny am-pandehana ity. Voalaza fa tratran’ny olana ara-teknika ilay taksiborosy ka nivadika avy hatrany.
Trano 85 tafo indray kila hotohoton’ny afo tao amin’ny fokontany Morafeno Farafangana, ny sabotsy alina teo. Olona 258 traboina. Tsy nisy ny aina nafoy. Tsy fantatra mazava kosa hatreto izay antony nahatonga ny afo. Voalaza kosa fa niainga avy ao amina trano iray ny firehetana ka niitatra tamin’ireo trano teo amin’ny manodidina.